<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>283</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Manan-jara, ry Jesosy,
 Ny mpanomponao,
 Izay natokanao hitondra
 Ny Anaranao :
 Nofidinao ho mpitory
 Ny fitiavanao,
 Nitokianao ho mpamory
 Ny vahoakanao.

[V2]
 Izao no zara fanompoako
 Voatendrinao,
 Ka ny mafy tsy ahoako
 Hahefako izao ;
 Tsy handosi-pahoriana
 Ny mpiasanao,
 Fa ny hazo fijaliana
 Lova taminao.

[V3]
 Na ho voky na ho noana
 Ny mpanomponao,
 Tsy handao ny fanompoana
 Nametrahanao ;
 Sitrakao ny fihafiana,
 Ka mba tiako koa ;
 Zakanao ny tsy fisiana,
 Ka zakaiko koa.

[V4]
 Tsy ahiko ny handany,
 Holanina koa,
 Fa famoizan-tsoa no hany
 Ahefany soa ;
 Na ny saiko, na ny aiko,
 Andro, vola koa,
 Tsy mba misy holalaiko,
 Foiko avokoa.

[V5]
 Nefa raha izaho irery
 Tsy mahefa izao,
 Ka mangataka ny hery
 Eo an-tananao,
 Aoka ho feno ny Fanahy
 Ny mpanomponao,
 Mba ho tena lehilahy*
 Voahosotrao..
 *) na : « vehivavy »</lyrics>
<title>Manan-jara ry Jesosy ny mpanomponao FFPM283</title>
<author>M. Russell</author>
</song>